Lehilahy 30 taona novonoina : feno dian’antsy ny tenda sy ny lamosiny

Lehilahy iray 30 taona eo ho eo hita faty teo amboditranon’olona tamin’ny alahady maraina teo. Nahitana tsatok’antsy maromaro ny tenda sy ny lamosiny.

Feno dian-tsatok’antsy teo amin’ny tendany sy ny lamosiny no hitan’ny polisy sy ny BMH tamina tovolahy iray 30 taona eo ho eo tao Antanimena, Secteur 8 Tanambao Sotema, kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alahady maraina. Teo amboditranon’olona izy no hita faty sady efa mangana tanteraka ny vatany. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny polisy no nahafantarana fa ny alin’ny sabotsy misasakalina tany ho any no nisy namono izy, raha ny tatitra nampitain’ny polisy ao Mangarivotra misahana ity raharaha vonoan’olona ity. Efa mihenjana rahateo ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny dokotera. Nam­baran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy hatrany fa hoe nisy tsimandrimandry noho ny fisiana lanonana forazaza teo akaikin’ny toerana nahitana ny razana.

Efa misy ny ahiana
Avy nanarato tany an-dranomasina izy ny sabotsy hariva. Tonga nanatrika ilay forazaza narahina tsimandrimandry. Nisy nahita tao amin’ny lanonana izy, raha ny fitantaran’ireo olona mahafantatra azy, araka ny tatitra voaray hatrany. Tokony tany ho any amin’ny 3 ora maraina, tsy hita tao intsony izy. Voalaza fa nisy korontana sy adiady koa tao amin’ity tsimandrimandry ity ka voatery najanon’ny tompon-draharaha ny fety.

Anatin’ny fanadihadiana mahakasika vonoan’olona ny polisy. Aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra. Efa misy rahateo ny olona ahiana ho tompon’antoka araka ny fanazavan’ny polisy. Mbola anatin’ny tsiambaratelo tanteraka ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao nataon’ny polisim-pirenena nadray an-tanana ny raharaha.

J.C

Partager sur: