Manakara: lamasinina nivadika, olona telo naratra

Nitrangana loza an-dalamby indray tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambahatrazo, distrikan’i Manakara, omaly maraina. Fiarandalamby zotra FCE (Fianarantsoa Côte Est) ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa ilay lamasinina no niala ny lalamby nandehanany nony tonga teo amin’ity tanàna ity. Olona telo nandeha tamin’ity fiarandalamby ity no naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny fisian’ireo olona naratra. Nentina hopitaly avy hatrany ireo naratra ka avotra soa aman-tsara. Efa saika latsaka tany anaty hantsana ireo lamasinina saingy nifampisaringotra ka izay no tsy nampivadika azy. Voalaza fa niongotra mihitsy ny lalamby nandalovan’io lamasinina io. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny zandary sady nanao ny asam-pamonjena ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara. Tsy vao izao no nahitana loza an-dalamby tamin’iny lalana iny. Efa antitra ary mihasimba tsikelikely ny lalamby ifamezivezen’ireo lamasinina. Toerana ifamezivezen’ny mponina amin’ireo kaominina saro-dalana anefa ny lamasinina.

J.C

Partager sur: