Nanome toky ny Malagasy ny Praiminisitra Ntsay Christian fa hisy ny fifidianana. Mitotaly 63 miliara Ar ny vola hanaovana izany.
Hisy tokoa ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao. Araka ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ifarimbonana, Ntsay Christian, omaly. Efa misy vola mitentina
63 miliara Ar napetraka tamin’ny Voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), entina hanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny Malagasy rehetra.
Raha ny fanazavana nataony, maro ireo mpiara-miombon’antoka nanampy ka nahazoana ireo vola ireo. Anisan’izany, ny Vondrona Eoropeanina, izay nanolotra 1 tapitrisa Euro, i Frantsa nanome 1 tapitrisa Euro, ary i Etats-Unis nandefa 5 hetsy dolara. Miampy ny 51 miliara Ar nomanin’ny fanjakana ho an’ny Ceni izany.
Tsy manana andraikitra mivantana amin’ny fikarakarana ity fotoana goavana eto amin’ny firenena ity ny governemanta. Miezaka ny mandray ny andraikitra tandrify azy anefa izy ireo.
Nomarihin’ity lehiben’ny governemanta, fa tsy misy ny krizy politika. Efa miroso amin’ny an-tsakany sy an-davany avokoa ny zavatra rehetra.
Vonona ny biletà
Anisan’izany ny biletà tokana izay efa ara-dalàna avokoa. Ankoatra izay, nilaza ny Praiminisitra fa manana hevi-dehibe efatra hijoroana ny governemanta, ankehitriny. Ny voalohany, ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Faharoa, ny fankatoavana ny demokrasia. Fahatelo, fanekena ireo andrimpanjakana misy eto amintsika, indrindra fa ny HCC sy ny Ceni. Farany, manamora ny asan’ny rehetra ny governemanta.
“Tsy miamboha adidy aho! Ny governemanta, manome toky ny ahafahan’ny vahoaka Malagasy rehetra mifidy izay ho filoha mendrika hitantana ny firenena. Tany tan-dalàna i Madagasikara ary manaja ny fomba demokratika”, hoy ny Praiminisitra.
Ankoatra izay, nanao antso avo ho an’ny kandida 13 mirahalahy ny filoha mpisolo toerana. Mba ho tomponandraikitra amin’ ny fizotry ny fifidianana eto amintsika satria efa nanaiky ny maha mpifaninana azy avy tamin’ny HCC izy ireo.
Fitia