Rugby – «Mondial 2023»: tsy afa-milalao i De Groot

Fahavoazana goavana ny an’ny All Blacks Nouvelle-Zelande, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2023”, taranja rugby. Fifaninanana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka milalao amin’ireo ambin-dalao roa ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona mantsy i Ethan De Groot, mitana ny toeran’ny “pilier”. Noho ny karatra mavo nivadika ho karatra mena azony, nandritra ny lalao nikatrohany tamin’i Namibie, ny zoma lasa teo, ny anton’izany. Ny “plaquage” nataony tamin’ny mpifanandrina taminy, izay noheverin’ny mpitsara fa mampidi-doza no nahavoasazy azy toa izao.
Marihina fa tsy anisan’ireo hiakatra kianja izany i De Groot, amin’ny lalao hikatrohany amin’i Italie, ny 29 septambra ho avy izao sy ny amin-dry zareo Uruguay, ny 5 oktobra. Fihaonana samy ho tanterahina ao Lyon, avokoa.
Mandra-piandry ireo lalao roa ireo, namonjy an’i Bordeaux sy ny kianja Chaban-Delmas, nanatontosana ny fanazaran-tena ny alatsinainy lasa teo izy ka nahafahan’ireo mpijery 10 000 nanam-bintana nanatrika izany ka nahita mivantana ireo mpilalao kalaza ao amin’ny All Blacks.

Tompondaka

Partager sur: