Tetikasa Kopakelatra : mpiasan’ny Star 800 nanadio

Ankalazaina isaky ny 16 septambra ny Andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana (World Clean Up Day). Nanamarika izany hatrany ny orinasa Star, tato anatin’ny dimy taona. Ho an’ity taona 2023 ity, manodidina ny 800 ny mpiasa manerana ny Nosy, nanadio ny manodidina sy ny lalana ary ny toerana iraisan’ny daholobe, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Kopakelatra”. Nilaza ny tomponandraikitry ny serasera sy ny andraikitra so­sialin’ny orinasa (RSE) ao amin’ ny Star, Raveloarison Fanou, fa ankoatra ny fanangonana ny tavoahangy plastika, tanjon’ny tetikasa “Kopakelatra” ny fanentanana ny olona hanana fahazarana amin’ny fihetsika tsotra nefa manana akony manan-danja ho an’ny tontolo iainana. Mitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina rahateo izany.
Ho an’Antananarivo manokana, nisy ny fiaraha-mientana tamin’ny fokontany Ankazo­manga Avaratra, Ankorondrano Andrefana, niarahan’ny foibe Star sy ny masoivoho Andrano­ma­hery. Nifarimbona tamin’ny fokontany Ankaraobato ny ma­soivoho Tanjombato. Ary niara-nisalahy ny fokonolona sy ny mpiasa rehetra tany Andrano­velona.

Njaka A.

Partager sur: