“Ant’sary doc festival”: hampivoatra ny horonantsary fanadihadiana

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny alakamisy 28 septambra 2023, amina toerana maro eto Antananarivo, ny « Festival Ant’sary Doc” andi­any voalohany. Mamon­drona ny mpankafy sy ny matihanina eo amin’ny tontolon’ny horonantsary fanadihadiana ny hetsika. Sokajy efatra no hifaninana mandritra ity fotoan-dehibe ho an’ny horonantsary fanadihadiana ity, ary mpanatontosa maro avy eto Mada­ga­sikara sy eto Afrika no mandray anjara amin’izany. An­koatra ny fifaninanana, hisy fifampizarana sy valandresaka ho an’ny rehetra koa hiresahana sy hampahafantarana bebe kokoa ny horonantsary fana­dihadiana, indrindra ny eto Madagasi­kara..
Hiavaka amin’ny hetsika lehibe eo amin’ny sinema efa misy ity atao ity. Horonantsary fanadihadiana ranoray no handeha mandritra ny herinandro hanatanterahina ny “Festival Ant’sary Doc”. Ma­nomboka ny 25 septambra hatramin’ny 27 septambra 2023 no handefasana ny ho­ronantsary fanadihadiana mi­faninana toy ny sokajy “Courts métrage”, “Long métrage”, “Jeunes creation” ary “Expe­riences digital”. Matihani­na sy sangany eo amin’ny fa­natontosana horonantsary fa­nadihadiana no voatsonga hitsara ny fifaninanana. Anisan’ izany i Didier Mauro, Jean Michel Carré, Gerard Le Chéne, ary koa i Nantenaina Lova, Mala­gasy mpanatontosa.

Lin

Partager sur: