Praiminisitra Ntsay Christian: “Porofon’ny fitsinjaram-pahefana ny Jir”

Nisokatra omaly ary hitohy hatramin’ny rahampitso ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ ny faritra – Jir” any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Niatrika izany ny Praiminisitra sady lehiben’ny governe­manta ifarimbonana, i Ntsay Christian. Nam­ba­rany tamin’izany fa laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahana mitondra ny fampandrosoana eny ifotony. “Po­rofon’ izany ny hetsika tahaka izao”, hoy izy. Tanjona ny hampahafantatra ny otrikarena eo anivon’ny faritra iray, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny hetsika. Hisarihana ireo mpampiasa vola avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Mitana ny laharana voalohany amin’ny otrikaren’ny any an-toerana ny ha­rena an-dranomasina. Maro ireo mivelona amin’izany. Eo koa ny voly fanondrana toy ny poavra, ny jirofo, ny lavanila ary ny fanodinana menaka manitra. Ireo vokatra azo ahodina eo an-toerana toy ny voanjo. Ny asa tanana ka misehatra amin’izany ireo vehivavy. Fanamby amin’ny fanatanterahana ny “Jir” ny ahafahana manodina ny otrikarena eo an-toerana sy ny fitadiavana lalam-barotra.
Nambaran’ny tale misahana ny toekarena eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahi­ny, Rasata Rafaravavita­fika, fa efa nametraka sy ni­tondra zavatra samihafa ho amin’ny fampandrosoana ny faritra efa nandray ny hetsika “Jir”.

Synèse R.

Partager sur: