TARATRY ny KANTO

« Festival Flamenco Madagascar ». Mitohy amin’ny anio, eny amin’ny IFM Analakely ny hetsika « Festival Flamenco Madagascar ». Fampisehoana manodidina ny “Flamenco Jazz”, iarahana amin’ny Silo no ho hita eny an-toerana, anio. Raha tsiahivina, efa nisy ny hetsika natao teny Ankatso sy teny Ampa­sanimalo, omaly.

Ratsimilaho. Tanterahina eny amin’ny Musée de la Photographie de Madagascar, eny Anjohy, ao anatin’ny hetsika « Café du musée », ny tafa iarahana amin’i Johary Ravalison, mpanoratra. Ny mahakasika ny boky « Ratsimilaho, Chef Betsimisaraka » no resahina ao anatin’izany, hamaliany ny fanontanian’ireo tonga hanatrika eny an-toerana.

“Slam à l’Univeristé”. Tontosaina anio, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny fifaninanana “Slam à l’U”. Fifaninanana Slam Poèsie natokana ho an’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo na miankina na tsia amin’ny fanjakana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Slam nationale 14” izany.

“Madajazzcar”. Hotanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, ny sabotsy 7 oktobra 2023 manomboka amin’ny 7 ora hariva, ny hetsika “Madajazzcar”. Handravaka sy hanome lanja ity seho ity i Fanja Andriamanantena. Ny AF Jazz no mpikarakara.

Partager sur: