Nanamafy ny praiminisitra Ntsay Christian fa voarara tanteraka ny fivarotana ny tanim-panjakana. Anisan’izany ny tany misoratra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny an’ny kaominina, ohatra, raha tsy nahazoana alalana mialoha eo anivon’ny filankevitry ny minisitra.
Miisa 17.736 ny mpiasa ao anaty sokajy « EFA », nahafeno ny fepetra ho raisina mpiasam-panjakana raikitra. Mandeha tsikelikely ny fikarakarana ny antontan-taratasin’izy ireo. Hisitraka izany izay niasa nandritra ny 10 taona no ho mihoatra, ireo efa akaiky ny taona fisotroan-dronono, ary mihoatra na feno 55 taona no ho miakatra ka nahafeno fepetra.
Mamokatra kitay akofa 11 isam-bolana ny orinasa Ny Anjara, ao Tsiroamandidy. Akora mora hita ao amin’ny faritra Bongolava ny akofa, antony manamora ny famokarana. Niodina nanomboka ny volana jolay teo ny orinasa ary mamelona tokantrano dimy ahitana olona 24. Marihina fa mateza sy mahery ny afo avoakan’ny kitay akofa vokarin’ity orinasa ity.
Handray an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra, azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitondra tanjaka 50 MW amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ny fanjakana malagasy. Ho raisiny an-tanana koa ny hetra sy habantseranana amin’ny fanafarana an’ireo fiara tsy mataho-dalana miisa telo hampandehanana ny asa atao rehetra.