Mivoaka tsikelikely ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Taorian’ny antoko RPSD, nilaza ny heviny koa ny vovonana Jeunes Patriotes Revolutionnaires Malagasy na JPRM.
Namory ny mpikambana tao aminy sy nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny hotely Colbert ny Vovonana JPRM. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’ny mpikambana hanohana sy hampandany ny kandidà laharana fahatelo.
“Maro ny fotodrafitrasa efa vita, ny fitsinjovana ny sosialy toy ny tosika fameno, ny fanovan-drafitra na foto-draritr’olona, toy ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany,ny fanalalahana ny serasera. Volam-panjakana ireny, natao itsinjovana ny fampandrosoana mipaka any amin’ny vahoaka, midika izany fa tafapetraka ny fototra enti-mampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona manaraka”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny JPRM, Ravelomahazo Rivellinot, ka antony hanohanan’izy ireo ny kandidà Rajoelina Andry. Mitaona ny rehetra, noho izany ireo fikambanana 16 mandrafitra ny vovonana mba hanatevin-daharana ny fanohanana ny ezaka vita.
Manamafy sy matoky rahateo ny JPRM fa tsy maintsy hisy ny fifidianana. “ Matoa nihaona tamin’ny HCC ireo kandidà folo, niangavy ny mba tsy hitanilana dia mazava izany fa hiroso amin’ny fifidianana isika ny 9 novambra ho avy izao”, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaly hatrany.
Vovonana ivondronan’ny Tanora mpitolona tia tanindrazana niorina ny taona 2017 ny JPRM. Manaja ny sata repoblikana sy ny tany tan-dalàna ary ny demokrasia.
Randria