Nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ny fijoroan’ny Vondron’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina “Union pro Andry Rajoelina – Upar”. Naneho fahavononana sy resy lahatra ny hampandany ny kandidà laharana fahatelo izy ireo amin’ny fifidianana.
Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ny hanohizana ny ezaka efa vita sy ny hanitsiana ny lesoka ary koa ny hanamafisana ny firaisan-kina. Anisan’ ny nanambara izany tamin’ny kabariny Rakotoniaina Pety. Niaiky ny tenany fa nisy tokoa ny tsy nahafa-po saingy hita ny dingana vitan’ny filoha teo aloha, Rajoelina. “Efa milamina avokoa ireo faritra mena teo aloha, amin’ny tsy fandriampahalemana. Nivaha koa ny olan’ny fananantany anisan’ny niteraka disadisa eny amin’ny fiarahamonina…”, hoy izy. Nanteriny fa manan-danja eto amin’ny firenena izany. Nohitsiny fa sahy hifaninana amin’ny faritra hafa ny tenany fa ho ambony ny taha handresen’ny kandidà Rajoelina any Fianarantsoa amin’ny fifidianana. Nambaran’ny minisitra teo aloha, Ramamonjisoa Virapin kosa fa efa niara-nitolona tamin-dRajoelina ny taona 2009. Nampanantena fa ho lany fihodinana voalohany ny kandidà laharana fahatelo. Na izany aza, niaiky ny tenany fa tsy azo ekena intsony ny amboadia mitafy hodi-janakondry…
Fampihavanam-pirenena vita ho azy
Namely fantsy ireo kandidà sasany ny mpitarika ny antoko Ny fireneko, Rabary Paul, tamin’ny lahateniny, nilaza fa efa eny ambony kianja vao mitaky ny hanoloana ny mpitsara lalao ireo mpifaninana. “Tsy tia korontana isika fa avelao handeha ny fifidianana”, hoy izy. Nambarany koa fa efa hita taratra eo amin’ ireo eo anivon’ny Upar ny fampihavanana, manoloana ireo mpanao politika samihafa firehana tafara-dalana amin’ity vondrona ity. Tamin’ny feo avo kosa no nanambaran’ny governoran’ny faritanin’i Toliary teo aloha, i Maharante Jean de Dieu, fa amin’ny maha “Baban’ny any atsimo” azy no nilazany rehefa nanontanian’ ny vahoaka fa hanohana ny filoha Rajoelina izy ireo.
Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Milavonjy nanitrikitrikitra fa mpandika lalàna ireo kandidà sasany ireo ary feno fihatsarambelatsihy. Nampitsanganiny avy eo ireo depiote miisa 50 hampandany ny laharana fahatelo. “Mahazo mandry ivohon’ny vato isika”, hoy izy.
Tsy ampy ny fe-potoam-piasana iray
Namarana izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, nampahatsiahy ny fitiavan-tanindrazana ananan’ny kandidà Rajoelina. Nanehoany fahavononana ny hampandany indray ny filoha teo aloha. “Efa hita taratra ny zava-bita ao Antananarivo Renivohitra… Tahaka izany koa manerana ny Nosy amin’ireo fotodrafitrasa samihafa”, hoy izy. Nanteriny fa tsy misy afaka ny hamafa ny fitiavan’ny vahoaka ny kandidà laharana fahatelo. Betsaka ny efa vita saingy tsy ampy ny fe-potoam-piasana indray mandeha, araka ny nambarany. Niantso ny rehetra koa ny tenany hanana fanetren-tena sy hiray hina. “Mila miasa isika. Ampy izay ny krizy ary aoka tsy hopotehina ny firenena. Mila mifidy isika ho an’ny tanindrazana sy ny taninjanaka. Eo an-tanantsika ny ho avin’ny firenena”, hoy izy.
Synèse R.




