Fifidianana filoham-pirenena : hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny CS-ANR

Afaka iray volana eo ho eo, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Araka izany, nanatanteraka fivoriana teny Ivandry, ny fikambanana CS-ANR.

Vonona ny hanamafy ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry Nirina, ny fikambanana CS–ANR. Fanambarana na­tao teo imason’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Arena Ivandry, ny omaly 24 septambra 2023. Tsapan’izy ireo fa maro ny zava-bitan’ ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, nandritra ny dimy taona nitondrany ka tokony hotohizana izany.

Anisan’izany ny fotodrafitrasa maro vita teto amin’ny firenena, toy ny sekoly sy ny hopitaly manara-penitra ary mijanona ho fananana iombonana izany. Nohamafisin’izy ireo fa misy ny fitsinjarana tsy mitanila eto amintsika ary tsy misy faritra natao ankilabao.

Raha ny fanazavana nataon-dRaharison Gabrielle, filoha nasionalin’ny CS-ANR dia miisa 118 000 mahery ireo mpikambana.

Mankalaza ny faha-10 taona nijoroan’ny CS ANR izy ireo amin’izao fotoana izao. Miantso ny olona rehetra ho tony sy hiandry ny fifidianana izay hatao ny 9 novambra ho avy izao eto Madagasikara, ny filohan’ny CS-ANR. Tsy vaha­olana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny korontana sy ny fidirana amin’ ny fitondrana Tetezamita, hoy ihany izy ireo.
Marihina fa tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha, Ra­joelina Andry, dia nahazo fahatokisana tamin’ny vondrona iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy. Anisan’ny nahafahana nahatontosa ny fanamboaran-dalàna, RN 44, RN 13 izany.

Fitia

Partager sur: