Nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Fimmar, i Ndremitsara Tarzan, fa mivaona tanteraka ny fomba fanaovana politika ary mitarika ho any amin’ny korontana. «Aoka isika handala ny fitoniana ahafahana miroso amin’ny fifidianana», hoy izy, ny herinandro teo. Nahitsy ny tenany nilaza fa efa tsy fotoanan’ny fifampiantsiana intsony izao. Tokony hampiseho fitondran-tena mendrika ny mpanao politika rehetra ary aoka ho fakan-tahaky ny olompirenena rehetra. «Fotoana izao tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ireo mpanao politika tsy an-kanavaka. Tsy tokony hitady hirika hanakorontanana intsony. Tokony efa samy miomana sy mivonona amin’ny fomba hampandany ny kandidà tohanany avy», hoy ihany izy. Niantsoany ny rehetra izany hampitovy ny tadin-dokanga ho amin’ny tanjona iraisana, ahatongavana amin’ny fifidianana. Notsiahiviny fa efa iarahan’ny rehetra mahalala izany firosoana amin’ny fifidianana izany, hatrany amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy tokony hifanala baraka eto isika samy isika, araka ny nambarany hatrany.
Niantsoany ny rehetra hanana toe-tsaina sy toe-po madio hiatrehana ny fifidianana izany. Nohitsiny koa anefa fa tokony hatao anaty fanarahan-dalàna izany ary aoka hanaiky ny fandaminan’ny mpikarakara fifidianana sy ireo andrimpanjakana rehefa nilatsaka hofidiana.
Synèse R.




