Tambajotra Wipwork : hanamorana ny fitadiavana asa

Nampahafantarina, omaly, tetsy Ampefiloha ny fisian’ny tambajotra nomerika “Wipwork”. Sehatra hifandraisana mivantana, tsy misy mpanelanelana eo amin’ny orinasa sy ny tanora mitady asa. Nanatanteraka ny soniam-piaraha-miasa nandritra izany, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (METFP) sy ny eo anivon’ny World Internediation platform (Wipwork). Tanjona ny hanampiana ireo tanora amin’ny fitadiavan’asa sy hanamorana ny fampidirana azy ireo ho matihanina.
“Mbola betsaka ireo tanora tsy manana asa na dia efa maro aza ny ezaka ataoan’ny fanjakana amin’ny fanomezana fiofanana ho azy ireo”, hoy ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rahantanirina Gabriella Vavitsara. Maimaimpoana ny fidirana amin’ny tambajotra ary takina ny “QR code”, ahafahafan’izy ireo miditra avy hatrany. Azon’ny rehetra atao ny mametraka ny mombamomba azy, mijery ny asa tiany, ary mamantatra ny karama heveriny mifanaraka amin’ny fahaizany.

Mino

Partager sur: