Fikaroham-bahaolana notarihin’ny FFKM: tsy anisan’ireo nandray anjara ny kandidà n°3

Notanterahina, omaly, tetsy Ampandrana ny fampihaonan’ny FFKM ireo kandidà miisa 13. Nitondra fanazavana momba ny tsy fandraisana anjara, ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry.

Nambaran’ny solonte­nan’ny kandidà Rajoe­lina Andry, tamin’ny ala­lan’Andriamananoro Au­gus­tin, fa efa tao anaty laminasa amin’izao dinika fikaroham-bahaolana izao ny fahafahana mandefa solontena amin’ny fampihaonan’ny FFKM. Niditra minitra vitsy tao amin’ny fihaonana ny tenany. Tsy naharitra ela anefa izany. “Efa neken’ireo raiamandrenim-piangonana ny fandefasana solontena saingy nisy fandaminana vaovao indray avy eo rehefa nifampiera ireo kandidà 12 ka navela nivory aloha izy ireo. Nisintaka izahay”, hoy izy. Nanteriny fa nanaja ny fandaminana sy ny fanasan’ny FFKM ny tenany. Notsiahiviny koa fa efa neken’ireo mpitondra fiangonana ny handefasana solontena saingy izao tsy anisan’ny mpandray anjara amin’izao dinika izao indray ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo.
Nitohy ihany ny fivoriana nikaton-trano nandritra ny ora telo teo amin’ireo kandidà miisa 12 sy ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM. Tsy nisy nipika tahaka ny mahazatra ny dinika. Tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny fihaonana.

Fanemorana ny fifidianana

Tsiahivina fa anisan’ny efa novoizin’ireo mpomba ny kandidà 12 ny momba ny tsy fa­najana ny Lalàmpanorenana, ny tokony hanoloana ny mpikamban’ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni. Ny governemanta tsy mitanila hitantana ny fifidianana ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany… Tombanana fa tsy hivaona amin’izany ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Synèse R.

Partager sur: