Hetsika iarahana amin’ny BNI : nizara traikefa i Andry Rajoelina

Nikarakara hetsika lehibe ny eo anivon’ny Banky BNI omaly, tetsy Ambodivona. Nanasan’izy ireo ny tanora mendrika indrindra teo amin’ny fandraharahana tao ana­tin’ny taona maro izany. Ani­san’ny voaasa tamin’izao fi­haonana izao ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina.

Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fihaonan’ireo tanora rehetra mendrika sy nahomby teo amin’ny fandraharahana “Trophée des jeunes entrepreneurs – TJE” tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny BNI, nanomboka ny taona 2003 ka hatramin’izao. Anisan’ny efa nibata sy nahazo amboara tamin’izany ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina.

Nisy ny dinidinika sy fifampizarana traikefa tamin’ireo rehetra niatrika izao hetsika izao. Teo koa ny fifanakalozana amin’ny fomba fijery mom­ba ny fampiasam-bola ary koa ny fampiroboroboana ny fandraharahana.
Finiavana sy herim-po…

Anisan’ny efa nambaran’ny filoha matetika fa sarotra ny lalana ary mafy ireo sedra eo amin’ny fandraharahana. “Mila finiavana, herim-po ary finoana izany raha te ho tafita”, hoy izy. Nahatonga azy nanampy ireo tanora izany ka nanamafisany fa anisan’ny andrin’ny firenena ny tanora mavitrika, miasa, tia tanindrazana. Antony nametrahany ny tetikasa « Fihariana », hampiroboroboana ny famoronana asa sy ny fandraharahana ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny tanora sy ny vehivavy.

Synèse R.

Partager sur: