Ahian’ny mpanao politika na ny kandidà sasany hiandany amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta ifarimbonana. Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo, tsy misy fiantraikany amin’ny asan’ny Ceni, raha ny fijerin’ny filohany. Fanazavana.
“Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo sy voatendry hanao an’izany andraikitra izany, tsy misy fiantraikany loatra amin’ny asa ataonay eto anivon’ny Ceni izany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Vangaindrano, afakomaly, manoloana ny resabe ny amin’ny fanendrena ny filoham-panjakana mpisolo toerana tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, eo anivon’ny governemanta ifarimbonana hoe hiandany amin’ny fikarakarana fifidianana. Mahaleo tena tanteraka ny Ceni amin’ny fanatontosany ny asa ataony.
“Manaja sy mandala tanteraka ny fanehoan-kevitra izahay eto anivon’ny Ceni. Na izany aza, mba angatahinay ataontsika ao anatin’ny fifanajana tanteraka izany fanehoan-kevitra izany”, hoy izy momba ny fanehoan-kevitra amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Mba tsy hisy ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana. Atao ao anatin’ny fihavanana malagasy izany fanehoan-kevitra izany.
Misy ny fandaharana manokana vokarina eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Efa nampahafantarina ireo kandidà 13 izany. Manainga azy ireo ny Ceni ho tonga handray anjara amin’izay fandaharana manokana izay amin’ny haino aman-jerim-pirenena, TVM sy RNM. Noho ny fanajana ny didy aman-dalàna izay, araka ny And. 110 ao amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana: mandritra ny fotoana sy mialoha ny fifidianana, afaka maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny kandidà.
Marisika amin’ny fifidianana ny olom-pirenena
Marisika ny olom-pirenena amin’ny fanatanterahana ny adidiny amin’ny fifidianana, raha ny fidinana ifotony nataony amin’ny fizarana karatry ny mpifidy. Tao amin’ny fokontany roa nolalovan’ny delegasiona notarihiny, tao amin’ny distrikan’i Farafangana, ohatra: efa 70 % na 80% mahery ny olom-pirenena nahazo ny karatry ny mpifidy. Tao amin’ny fokontany Manombo, Vangaindrano: efa mihoatra ny 70% amin’ny olom-pirenena koa no nahazo ny azy. Miandry ny andron’ny 9 novambra hanatanterahana ny adidiny amin’ny fandatsaham-bato ny olom-pirenena.
R. Nd.




