“Amin’ny zava-misy amin’izao, fifidianana ihany no ahazoana mitondra ny firenena. Satria ny vahoaka no masi-mandidy eto amin’ny firenena. Izy no mifidy izay olona hitantana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD voafidy tany Ambovombe, i Henri Jean-Michel, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy ilain’ny firenena intsony ny korontana, tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka. Impiry izay no nisian’izany? Taona 1991, 2002, 2009… Fihenan’ ny fari-piainan’ny Malagasy no vokany. Mba miezaka manaja lalàna ny rehetra, miaina ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna.
Efa natao teto ny fifandimbiasam-pahefana demokratika sy ny famindram-pahefana tamim-pilaminana, tamin’ny 2014 sy 2019, araka ny nambarany. Tsy amin’izao indray ny Malagasy no ndeha hiverin-dalana ka hiaina ivelan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery, fa miezaka manaja ny lalàna misy.
R. Nd.




