Fikaroham-bahaolana “Ady gasy”: miantso vavaka sy tsy fifampihantsiana ny FFKM

Nambaran’ny eo anivon’ny FFKM omaly, tetsy Ampandrana fa efa miroso amin’ny fiantsoana ireo ankolafin-kery maro samihafa izy ireo izao. Na izany aza, nanao antso avo ireo filoham-piangonana manoloana izao raharaham-pirenena izao.

Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, fa mitohy ny fampihaonana ireo ankolafin-kery. “Vahao­lana malagasy , hamahana ny olana eo amin’ny samy Ma­lagasy anatin’ny fifampiresahan’ny samy Malagasy manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena malagasy”, hoy izy. Nanaingany ny rehetra koa anefa izany ny hampitsaharana ny fifampihantsiana amin’ny endriny rehetra. Aoka hatao ho laharam-pahamehana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ireo mponina rehetra eto amin’ny tanindrazantsika, araka ny nambaran’ny FFKM. Nankahereziny hivavaka ny rehetra ary hitsangana sy tsy ho kivy ary koa hivavaka manoloana ny asa sarotra sy makadiry tanterahina amin’izao fotoana izao. “Ary aza manahy na inona na inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana ary ny fisaorana no entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra… », Filipiainina 4, 6-7. Niaiky ny FFKM fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ary maro ireo mitebiteby amin’ny ampitso. Niantso ny rehetra hibebaka izy ireo ka hiverina amin’Andriamanitra.
Anisan’ny nambaran’ny filoham-piangonana koa fa tsy misy fikasana hametraka fifanarahana politika ny dinika natao tamin’ireo kandidà, afakomaly. Na izany aza, nohitsiny fa tsy maintsy hapetraka eto amin’ny firenena ny fahamarinana hisorohana ny krizy.
Etsy andaniny, nambaran’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny hihaonan’izy ireo manokana ny kandidà Andry Rajoelina, ary efa eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana ny FFKM.

Synèse R.

Partager sur: