Telma : mivelatra manerana ny Nosy ny tanjaka 5G

Navoakan’ny orinasa Telma Madagasikara, ny volana jona 2020, ny tanjaka 5G, voalohany aty Afrika. Fivoara­na teknolojia miavaka, satria tambajotra tena matanjaka. Miara-miasa amin’ny marika Ericsson (orinasa Nasdaq : Eric) ny Telma amin’ny fametrahana ny tanjaka 5G, ho an’ny finday no­hatsaraina (eMBB) ny voalohany, ary ny fitaovam-pifandraisan-davitra tsy mila tariby (FWA) ny faharoa. Haingam-pandeha ny fi­fandraisan-davi­tra satria mi­hena be ny fo­toana. Mana­tsara ny asan’ny matihanina sy ho an’ny kilalao fialamboly samihafa ihany koa.
Nilaza ny filoha Admi­nistra­tera, tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick-Pisal Hami­da, fa: « hiantraika tsy ho ela amin’ny toekarena eto amin’ny firenena ny 5G. Taratry ny fiverenan’ny fandraharahana malagasy izany, sady hisarika ny vahiny mpandraharaha ho avy aty Madagasikara ».

Vitsy sisa ny hampiasana ny 4G
Ho vitsy sisa ny fampiasana ny 4G mialoha ny faran’ity taona 2023 ity. Hifantohana ny fametrahana ny taribim-pifandraisana « fibre optique » 5G any amin’ireo tanàn-dehibe, mihoatra ny 11 000 km, miampy ny fifandraisana mi­isa efatra any amin’ny ranomasimbe Indianina sy i Afrika.
Vao mainka hivelatra ny sehatry ny andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) ampi­asana ny 5G, sahanin’ny Telma eo amin’ny sehatra fa­natanjahantena, kolontsaina, fanabeazana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: