“Raha tratra aoriana indrindra, tsy maintsy tafapetraka 30 andro mialoha ny datim-pifidianana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana. Raha amin’ ny 9 novambra ny fifidianana, ny 10 oktobra no 30 andro mialoha an’izay”. Io ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Olona dimy no mpikamban’ny birao fandatsaham-bato iray. Ahitana filoha iray izany, filoha lefitra iray, mpitantsoratra iray, ary mpanampy roa. Na tian’ny Ceni na tsia, tsy maintsy tafapetraka farafahelany amin’ny 10 oktobra ho avy izao ny mpikamban’ny biraom-pifidianana miisa 1 987 manerana an’i Madagasikara.
Efa mitady ny olona mahafeno ny fepetra amin’izay ho mpikamban’ny biraom-pifidianana izay ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Any amin’ny fokontany sy any amin’ ny biraom-pifidianana farany lavitra, sarotra ny mahita olona mahay mamaky teny sy mahay manoratra ary mahay manao kajy. Misy antontan-taratasy tsy maintsy fenoina amin’ ny fifidianana, ary misy kajikajy tsy maintsy atao. Matematika ny kajikajy atao amin’izany, fa tsy kajikajy politika. Fepetra takina amin’ny mpikamban’ny biraom-pifidianana koa ny tsy maha mpikambana azy amina antoko politika. Hisy ny fanofanana azy ireo aorian’ny fandrafetana ny birao.
R. Nd.




