Vondrona politika Armada: manohana ny kandida n°3

Nampahafantatra ny fanohanany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ireo antoko miisa 13 mivondrona eo anivon’ny Armada. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ihany koa izy ireo.

“Manameloka ny fitadiavana savoro­voro politika na fandatsahan-dra, hamono ny firenena izahay. Tsy mendrika hiaina korontana na krizy iniana volena ny vahoaka”, hoy ny fanambarana, novakian’ny filoha nasionalin’ny AKFM Fanavaozana, Andriamanjato Hasina. Nanambarany fa tsy nitondra soa ho an’ny vahoaka izany. Notsipihin’ny Arma­da fa tsy afaka maka ny toeran’ny vahoaka hanapaka ny hoaviny ho amin’ny 5 taona manaraka ireo olom-bitsy na kandidà… Tsipahin’izy ireo ny fanemorana ny fifidianana ka hananganana Tetezamita vaovao. “Miantso ireo kandidà efa nankatoavin’ny HCC mba hifantoka amin’ny fifidianana, hany fomba tokana hiakarana eo amin’ny fitondrana ny firenena. Tsy fahavalonareo akory ny kandidà Rajoelina fa namana mpifaninana ihany”, hoy ny Armada. Nohitsin’ny fanambarana fa tsy hanaiky ny korontana izy ireo ary mitsipaka ny lalana hafa haroso ankoatra ny fifidianana. Misy lanjany manokana matoa antoko politika matanjaka sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena no mivondrona eo anivon’ny Armada.
Etsy andaniny, niantso ny rehetra resy lahatra mba hiara-dalana sy hifanohana ho an’ny tanindrazana sy ny ta­ninjanaka izy ireo.
Nialoha izany, nambaran’ny Armada fa hanohana sy hampandany ny kandidà Rajoelina izy ireo. “Miteny ho azy ny zava-bitany tao anatin’ny fe-potoam-piasany voalohany ka mendrika hotohizana izany… “, hoy ny Armada

Synèse R.

Partager sur: