Barazy Bevava: hahazoam-bokatra 3 400 t isan-taona

Vita 100% ny fotodrafitrasa fanitarana ny tohodrano Bevava ao amin’ny kaominina Mitanty sy Ampasimanjeva, distrika Manakara, faritra Fitovinany. Hanondraka velarantany hatramin’ny 340ha ny lemaka raha toa ka 110ha izany teo aloha. Hisitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao ireo tokantrano 483 miaraka amin’ireo fikambanana mpampiasa rano “AUE” Mendrika. Hanampy sy hampivoatra ny faripiainan’ny tantsaha izany, noho izy hanafoana ny mosary mianjady ao amin’ny faritra. Angady nananana ny tetikasa ny fandaharanasa DEFIS, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, vatsian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena (FIDA).

Handroso

Hirindra ny fizarana ny rano manondraka ireo tanimbary amin’ny alalan’ny tohodrano ka afaka hisitraka izany avokoa ireo tantsaha eo an-toerana sy ny manodidina. Hahazo vokatra 3 400t isaky ny taom-pambolena ny tantsaha ao amin’ny faritra Fitovinany, amin’alalan’ity tetikasa ity. Mamokatra vary 5t/ ha ny faritra ka afaka mamboly indroa isan-taona ny tantsaha raha voarindra araka ny tokony ho izy ny fitantanan-drano. Tonga tany an-toerana nanolotra ny fotodrafitrasa maharitra sy lovain-jafy tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady teo, ny governoran’ny faritra, Razafitsotra Lucien Laurel sy ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasoanaivo Jocelyn, ary ireo olom-boatendry avy ao an-toerana.

Partager sur: