Ivontoerana atao hampiroboroboana ny fandraharahana sy ny niomerika ny “digital center” eny anivon’ny paositra malagasy. Hisokatra ho an’ny rehetra izany ary natao hampivelarana ny seha-piharian’ny tsirairay.
Notokanana teny amin’ny biraon’ny paositra malagasy etsy Antaninarenina ny “digital center”. Ivontoerana misahana ny niomerika fa indrindra ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana. Fotodrafitrasa ahafahana mampivelatra ny seha-pihariana ny “digital center” noho izy ahitana ireo fitaovana sy kojakoja samihafa ilain’ny orinasa na mpandraharaha amin’izany. “Mahaliana ny tanora ny haitao ara-kajy mirindra, maro ihany koa ireo mpandraharaha madinika te hampiroborobo ny seha-pihariany. Hampivelatra izany indrindra no antom-pisian’ity ivontoerana ity”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina, nandritra ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ivontoerana. Hampivelatra ny seha-pihariana ao anatin’ny fampiroboroboana ny teknolojia ny digital center, misokatra ho an’ny daholobe mandritra ny 7/7 andro amin’ny 24/24 ora ny toerana.
Mandroso
Tsy nitsaha-nivoatra ny paositra malagasy nandritra ny taona maro. Manaporofo izany ireo tolotra samihafa sy tohana omeny ny mpanjifa. “Midika sahady ny fivoarana sy ny fampandrosoana tsy ankiato eo anivon’ny paositra malagasy ireo dingana vita ary mbola hitohy izany”, hoy ny Tale jeneralin’ity paositra malagasy, Ranarison Richard, tamin’ny lahateniny nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ny paositra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny firaisan-kina azo antoka ho an’ny fiaraha-miasa maharitra.




