Arahi-maso akaiky : misy mikasa hanao trafika any amin’ny morontsiraka atsinanana

Nahazo vaovao ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana fa misy ny fikasana hanao trafika na zavatra an-tsokosoko any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara. Norasina ny fepetra hanamafisana ny fanaraha-maso, noho izany.

Saro-pady ho an’ny fadin-tseranana malagasy ny lafiny fanaraha-maso. Manao hetsika manokana, fi­safoana ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ny sam­pandraharahan’ny ladoany, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Tafika an-dranomasina ma­lagasy. Natao tany amin’ny nosy Sainte-Marie, ny fivoriana mikasika izany, ny alakamisy 19 oktobra 2023 teo. Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany, Lainkana Zafivanona, fa « na­tao ity hetsika ity, satria nahazo vaovao izahay, fa misy mikasa hanao trafika sy zavatra tsy ara-dalàna amin’iny morontsiraka iny ».
Napetraka, araka izany, ny andiana mpanao fisafoana, ahitana ny avy amin’ny sampandraharahan’ny fadintseranana sy ny Tafika an-dranomasina any Sainte Marie. Andiany ahitana ny mpiasan’ny ladoany sy ny tafika an-dranomasina, hitety ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara manontolo.
Tsiahivina fa efa fanao hatrizay ny hetsika manokana toy izao, niarahan’ny sampandraharahan’ny fadintseranana sy ny Tafika an-dranomasina. Tao anatin’izany no nahitam-bokany, nahatrarana zava-mahadomelina, heroïne mi­lanja 46 kilao, tamin’ny taona 2019.
Fanamafisan’ny ladoany malagasy ny fepetra efa fanaony hatramin’izay, hanaraha-maso ny sisintany sy ny morontsirak’i Madagasikara ny hetsika toy izao. Mateti-pitranga eto amintsika, ny firongatry ny fanaovana zavatra tsy ara-dalàna, ny trafika amin’ny endriny maro samihafa, indrindra amin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana sy ny toe-draharaha politika mafana. Voakasik’izany ny fanondranana na fanafarana entana avy any ivelany tsy ara-dalàna. Tsy manao ambanin-javatra ny fanaraha-maso ny sisintany sy ny fiarovana ny olona sy ny otrikaren’i Mada­gasikara ny sampandraharahan’ny fadintseranana malagasy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: