Fanorenana trano: mafy sady azo ihoriranana ny rindrina vita amin’ny polystyrène

Notaterahina ny sabotsy teo, nandritra ny foara momba ny trano, tetsy Tanjombato ny “crash-test”, fampitahana ny rindrina vita amin’ny biriky sy ny polymur ary ny parpaing. 1mn 4s ny famakiana ny rindrina vita amin’ny biriky, 3mn 40s ny parpaing ary 7mn 47s ny « polymur », izay rindrina vita amin’ny vy sy polystyrène. Nifandimbiasana “gros bras” maromaro vao nahatafavoaka olona ny « polymur ». “Tan­jona ny hanaporofoana tamin’ny mpitsidika ny hamafiny”, hoy ny tomponandraikitry ny varotra polytech, Ramamon­jia­risoa Safidy. Anisan’ny mandrakotra ny trano ny vy amin’ny maha beton armé azy. Misy polystyrène expansé ihany koa eo afovoany.
Manaja ny tontolo iainana
Anisan’ny manaja ny tontolo iainana ity teknika vaovao fanorenana trano ity satria tsy ahitana simika ny akora ampiasaina amin’izany. Tsy mirehitra ihany koa izy io na ampirehetina aza, izay tsy mitovy amin’ny karazana polystyrène hita amin’ny fonona fahitalavitra, fampagantsiahana…, raha ny fanazavana hatrany. Mafy ny trano vita amin’ny “polymur” satria natao hahazaka rivodoza sy horohorontany ihany koa.
Ankoatra izay, nisy ny “pari” naminavinana ny fahapotehan’ny rindrina “polymer” nandritra izany. Nandrai­san’ny olona maro anjara, tonga nitsidika teny an-toerana. Tovolahy iray, 18 taona, antsoina hoe Pablo Iarivo no nahazo ny “bon d’achat” 1 millions d’Ariary avy amin’ny orinasa.

Mino

Partager sur: