Korea : Fivoriana mahakasika ny tontolo iainana

Nandray anjara tamin’ny Fivoriambe iraisam-pirenena hiovana any amin’ny fampandrosoana maharitra (SDTF) i Madagasikara. Natao tao amin’ny Incheon City any Korea ity atrikasa lehibe ity, ny 16 hatramin’ny 19 oktobra 2023 teo. Nisolontena antsika ny fitantanana ankapobeny ny fampandrosoana maharitra, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (DGDD), sy ny fitantanana ankapobeny ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF).
Lahadinika nodinihina ny fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka ao amin’ny tatitra maneran-tany mahakasika ny fampandrosoana maharitra, ny taona 2023. Nizara ny traikefa momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny delegasiona malagasy.
Tsiahivina fa anisan’ny tanjona nofaritan’ny Firenena mikambana (ONU) miadidy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny hamerana tsy hihoatra ny 2°C ny fiakaran’ny maripana maneran-tany. Araka ny tatitry ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana mahakasika ny tontolo iainana (PNUE), ny taona 2022.
Tsy tratra ny tanjona, fa vao mainka aza hiakatra hiampy 2,8°C ny maripana hatramin’ny faran’ny taonjato, amin’ny 2100.

Njaka A.

Partager sur: