Raharimalala Laurence Sylvie, no tena anaran’ny tovovavy. «Sylange kilalaky», kosa eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Izy no vehivavy anisany nisantatra ny fiangaliana ny fihirana sy ny fandihizana ny kilalaky, mampiavaka ny Faritr’i Menabe, izay niaviany. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy ny fanentanana anatina fampisehoana an-tsehatra ihany koa izy.
Ankoatra ny fanandratana avo ny kilalaky nentim-paharazana avy any Morondava, manan-talenta sy havanana amin’ny fiangaliana ny mozika mafana (tropikaly) ny tarika Sylange kilalaky. «Mirakitra hafatra mafonja sy sahaza ny olona tsirairay tsy ankanavaka ny tononkirako», hoy Raharimalala Laurence Sylvie. Anisan’ny voiziny mandrakariva ny tokony hananana toe-tsaina vonona hihoitra amin’ny fiainana ary tsy ho resin’ireo fanakiviana sy ny fanaratsiana.
Nohanamafisiny fa manohy hatrany ny fikirakirana ny mozika ny tarika. Manamafy izany ny namoahan’izy ireo tsy ela ny hira «Mbo Zaho avao moa toy» izay narindra amin’ny gadona kilalaky mangotraka ary efa maro mpankafy tokoa.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto