TARATRY ny KANTO

Njakatiana, eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao. Mandritra ilay hetsika “Fitsangantsan­ganana ho an’ny reny”, izay hatao ny tontolo andron’ ny 25 mey izao. Hitondra ireo hirany nahafantarana azy hatramin’izay i Njakatiana, satria nomanin’ny mpikarakara ho fanomezana noho ny fetin’ny reny ny seho.
“Ny endrika marolafin’ny literatiora malagasy”. Io ny lohahevitra iompanan’ny tafatafa, iarahana amin’i Ny Hasina Ratsimbazafy, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Fondation H Ambato­mena. Hiresadresahana ny tontolon’ny literatiora malagasy, ny nolalovany hatrany amin’ny vanim-potoana “mitady ny very” ka hatraty amin’izao fotoana izao izany.
Efa fantatra avokoa ireo mpanakanto hanafana ny « Festival Sabôtsibe » any Mandritsara. I Sisca Mama Awoe no manokatra amin’ny alim-pandihizana sy mamarana ihany koa ny andiam-pampisehoana. Hifandimby an-tsehatra ny sabotsy 14 jona sy ny alahady 15 jona kosa ry Kapitsany, Tence Mena, Moop­can, Parish, Maman’i Tsôlôlô, sns. Andiany fa­hatelo ity hetsika ara-kolontsaina any Mandritsara ity.
Monika Njava, etsy amin’ny Le Louvre Anta­ninarenina. Fotoan-dehibe ny fiarahana anio alina, miaraka amin’ity mpanakanto ity. Ny antony, fotoana ahitana azy indray an-tsehatra io. Ankoatra izany, fandraisana anjara amina asa soa ihany koa no hataon’ireo mpankafy, satria hetsika natao ho fitadiavam-bola, hanarenana ny Lycée any Beroroha izy ity.

Partager sur: