Tsy anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’ireo lalao roa tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” i Nina. Soloin’i Allan ny toerany.
Afaka fito andro, hanomboka ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy afaka ny hilalao amin’ireo lalao roa ataon’ny Barea anefa Razakanirina Nina, Malagasy mpiandry haraton’ny ekipam-pirenena noho ny ratra nahazo azy. Hisolo ny toerany Rakotovazaha Allan, Malagasy mila ravinahitra any France.
Mijanona ho telo ihany, araka izany, ny mpiandry harato nantsoin-dRakotondrabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô handrafitra ny Barea. I Melvin Adrien sy Randriamamy Mathyas ary Rakotovazaha Allan.
Marihina fa ny 17 novambra no hifanandrina ao amin’ny kianjan’ny Baba Yara, Ghana ny Barea, ekipa nasionaly malagasy, sy ny Black Star, Ghana. Telo andro aorian’io, hihaona amin’i Tchad, i Madagasikara. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Oujda Maroc.
Raha ny fantatra, Hiala eto Madagasikara amin’ny alahady 12 novambra ho avy izao, ny Barea izay tarihin’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Félix.
Marihina fa miray vondrona amin’i Mali, Ghana, Tchad, Centrafrique, Comores, ao amin’ny vondrona “I”, i Madagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa nihena ho dimy sisa ny Malagasy mpilalao eto an-toerana noho ny faharatran’i Nina raha enina izy tamin’ny lisitra voalohany: Randrianarijaona Tendry, Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry Kely, Rafanomezantsoa Lalaina, Rabemanantsoa Rado Niaina, Rabarijaona Tantely Avotriniaina na i Dadafara.
Fitia Randria