Vokatra eto Madagasikara : fanampin-tsakafo sy mahasalama ny sésame

Anisan’ny vokatra iray eto Madagasi­kara ny voly sésame. Tafiditra indrindra, ho anisan’ny sakafo mahasalama sy mampatanjaka ny vatan’ny olombelona ny fihinanana azy io.

Manankarena voly sy vokatra maro i Mada­ga­sikara. Anisan’iza­ny, ny voly sésame, izay mi­tondra hery sy fahasalamana ho an’ny vatan’olombelona. Maro ny toerana mamboly azy, raha eto Madagasikara manokana. Toy ny any amin’ny faritra avaratry ny Nosy sy any Sophia. Manana karazana vokatra sésame mainty sy fotsy ny eto an-toerana.
Maro ny orinasa sy ny olona manodina io vokatra io ho lasa vokatra maro karazana. Anisan’izany, ny orinasa Ferme Aina etsy Ambohidahy sy Ambohijatovo. Ho azy ireo manokana, manodidina ny 12 t isan-taona ny vokatra tadiavin’izy ireo amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ity orinasa ity. Maro mpankafy ny vokatra noho ny soa sesehana azo avy aminy, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, efa mandeha sy miparitaka amin’ny tsena lehibe ihany koa ny vokatra vokarin’izy ireo. Misy tradi-praticien sy dokotera ary nutritionniste ihany koa mampiasa sy mila ny vokatra ka antony mahatonga azy ireo mampiasa betsaka ny vokatra eto Madaga­sikara.

Tsara ho an’ny atidoha
Mitondra tombontsoa maro samihafa ny vokatra sé­same, raha ny fandinihana nataon’ny manam-pahaizana. Ahitana otrikaina isan-karazany ity vokatra iray ity, ary ma­nampy betsaka ny vatan’ny olombelona ho salama sy hatanjaka. Anisan’ny sakafo mahasalama indrindra maneran-tany ny sésame. Ahitana otrikaina maro samihafa toy ny acide gras, omega 6, antioxydants, calcium, phosphore, magnésium, fer, vitamine B1, B2, B3 ary B6 ihany koa ny voana sésame. Sakafo tsara ho an’ny atidoha sy ny resaka “crampe” ny fihinana sésame satria manana tahana « lécithine » ambony indrindra. Ilaina ho an’ny atidoha izany satria manampy betsaka amin’ny fitadidiana sy ady amin’ny rarintsaina ary ny harerahan’ny saina izany. Ankoatra izay, betsaka ihany koa ny tahan’ny calcium ao aminy. Ahitana calcium 1300 mg ny sésame 100 g, raha toa ka 800 mg ny tahana calcium tadiavin’ny vatan’ny olombelona isan’andro. Tafi­ditra ho anisan’ny sakafo fa­haroa ambony magnésium be indrindra ihany koa satria ahitana 288mg.

Sésame karazany roa eto Madagasikara
Manana ny mampiavaka azy ireo vokatra sésame mainty sy fotsy eto Madaga­sikara ireo. Somary ambony ny tahan’ny calcium sy magnésium ao anatin’ny sésame fotsy. Betsaka fer sy zinc ary antioxydant kosa ny sésame mainty. Mbola maro amin’ny Malagasy ny tsy ma­hafantatra izany atao hoe : antioxydant izany, raha ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny, mahatanora lalandava ny fihinanana io vokatra io. Miaro amin’ny aretin’ny homamiadana eo amin’ ny vatan’ny olombelona ihany koa. Ankoatra izay, manampy amin’ny fiforonan’ny liomena sy mitatitra oxygène ao anatin’ny vatana. Tsara ho an’
ny vehivavy izany satria manana olana amin’ny tsy fahampian’ny “fer” izy ireo noho ny fahaverezan-dra isam-bolana. “Mi­teraka faharerahana sy fihitsinam-bolon’ny vehivavy izany amin’ny ankapobeny ka antony hinanan’ny vehivavy izany”, Rasolo­foson Iangotiana, tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Ferme Aina.

Tokony hihinana sésame 30 g isan’andro

Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa ratsy foana ny tsiron’ny vokatra iray rehefa atao hoe fanampin-tsakafo. “Mifanohitra amin’izany, ny vokatra sésame satria tsara ny tsirony”, hoy ireo olona manjifa sy mihinana izany. Tokony hihinana sésame 30 g isan’andro ny olon-dehibe iray raha salama tsara. Efa betsaka ny otrikaina tsy ampy sy tsy hita amin’ ny sakafon’ny olombelona ankehitriny. Anisan’ny manampy betsaka izay fahaverezan’ny otrikaina amin’ny sakafo izay io vokatra io. Mampatanjaka sy manampy ny olona ny fihinanana izany. “Tsara raha mandritra ny androm-piainana iray manontolo mihitsy no mihinana vokatra sésame”, hoy Rasolofoson Iangotiana, tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Ferme Aina.
Ny sinoa sy ny japoney no tena mihinana vokatra sésame maneran-tany. Antony iray maha ela velona azy ireny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nilaza izy fa raha maniry ny fiainana sy fahasalamana tsaratsara kokoa ny vahoaka malagasy, aleo mifototra amin’ny fihinana sésame.

Fomba fihinana azy
Maro isan-karazany ny fihinana ny sésame. Raha ho an’ny vovony, azo ohanina iray sotrokely maraina, atoandro ary hariva. Azo ohanina amin’ny dite, ronono ary yaourt ihany koa izy. Azo atao tsara ny mihinana voana sésame eny anelanelam-potoana ary ampiasaina atao amin’ny fanaovana mofo isan-karazany ihany koa izany.
Ho an’ny orinasa Ferme Aina, manodina ny sésame ho vokatra hafa azon’ny olona ampiasaina izy ireo. Toy ny menaka, izay natokana hiarovana ny hoditra amin’ny masoandro satria fahavalon’ny hoditra voalohany indrindra izany. Azo avy amin’ny masoandro avokoa ny 80% amin’ny fahanteran’ny hoditra sy ny tasy mivoaka aminy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: