Fizahantany- Volana oktobra: maherin’ny 28 450 ireo tonga teto amintsika

Velom-panantenana. Tsara ny vokatra raha ny fizahantany teto amintsika, ny volana oktobra teo, no jerena. Maherin’ny 28 450 ireo mpi­zahatany tonga nitsika an’i Mada­gasikara. Nampiakatra indray ny toekarena malagasy sy nampidi-bola ho an’ireo mpiantsehatra samihafa. Tao anatin’ny 10 volana, nahatratra 184 824 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ka ny volana oktobra teo no nahitana izay fiakarana avo indrindra izay, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fizahantany. Nitombo 6 400 isa ny mpizahatany tonga teto amintsika raha oharina tamin’ny volana oktobra, taona 2022. Na izany aza, mbola manenjika mpizaha­tany 4 000 i Madagasikara mba hanatrarana indray ilay onjam-pivoarana toy ny tamin’ ny taona 2019.

Sambo lehibe dimy
Nitondra mpizahatany 112 ao Mahajanga ilay sambo lehibe (paquebot) SH Diana, ny herinandro teo. Mbola andrasana ihany koa ireo sambo lehibe dimy hafa hatramin’ny faran’ny taona. “Ho tonga ny 24 novambra ny iray amin’izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Fantatra fa mbola nandalo tao Nosy Be ity sambo lehibe SH Diana ity mialoha ny nahatongavany tao Maha­janga. Nanararaotra nitsidika ireo toerana mampalaza ny faritra ireo mpizahatany tonga any an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: