Andohanimandroseza: Dimy lahy maty voatifitra

Dimy lahy maty voatifitry ny zandary teny Andohanimandroseza, omaly atoandro. Voalaza fa jiolahy saika hanafika Villa izy ireo. Basy dimy tratra niaraka tamin’izy ireo.

Maty rotidrotiky ny bala ireo dimy lahy izay nolazain’ny zandary fa jiolahy nandritra ny fifampi­tifirana teny Amparihikely, Tanambao Andohaniman­dro­seza (akaikin’ny masoivohon’i Norvège), omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nihorohoro tanteraka ny mponina teny an-toerana, hatreny Ambohipo sy ny manodidina.

Nangina ny lalana nanomboka teo amin’ny sampanan-dalana Andohanimandroseza nandritra ny fifanenjehan’ny zandary sy ny jiolahy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary hatrany, andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, nandeha fiara tsy mifidy lalana (4×4) marika “Land Cruiser” ireto nifampitifitra tamin’izy ireo ireto. Nambaran’ny zandary fa narahina avy eny amin’ny lalana Bibilava ry zalahy ireo. Nifarana teo akaikin’ny villa iray voalaza fa nokasainy ho tafihana anefa izany.

Basy PA dimy

Naharitra 45 minitra teo ho eo ny fifampitifirana, raha ny fanampim-panazavana nomen’ny mpitandro filaminana. Vokany, maty voatifitra ny jiolahy dimy raha nisy roa lahy hafa tafaporitsaka tamin’ny moto. Tratra teny am-pelatanan’ireo jiolahy ny basy PA dimy. Rakotra diam-bala ny fitaratr’ilay fiara 4×4. Mi­so­katra ny fanadihadiana sy ny fikarohana amin’izay mety ho tompon’ity fiara nampiasain’ny jiolahy ity.
«Tsy basin’ny mpitandro filaminana ireto nampiasan’ny andian-jiolahy ireo ary efa anatin’ny fanadihadiana lalina tanteraka ny zandarimaria amin’izao fotoana izao», ara­ka ny fanazavan’ny kaoman­din’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo renivohitra. “Tsy nahitana volabe araka ny feo miely tao anatin’io fiara io fa vola 100 Ar maromaro no hita tao nandritra ny fisavan’ny zandary”, raha ny tatitra voaray hatrany.

Mandeha ny fanadihadiana, andrasana izay ho fia­faran’ny tantara.

Jean Claude

Partager sur: