Pr Rasamoelina Henri: « Tokony hahay andray lesona ny Malagasy… »

Efa hatramin’izay no niteraka olana sy loza mitatao ho an’ny firenena ny fifidianana, indrindra ny an’ny filoham-pirenena, noho ny lesoka amin’ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Pr Rasamoelina Henri, mpampianatra mpikaroka sy mpahay tantara. «Ny janoary 1972 no nanomboka nanarahako akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana. Maro ny lesona tsara azo no­tsoahina tamin’ireo fifidianana maro nifandimby. Misy ihany koa anefa ireo lesoka tokony ho narenina. Tsy nanatsoaka lesona tamin’izany anefa isika Malagasy, na ny vahoaka na ny mpitondra ka zavatra efa nitranga hatrany no miverina amin’izao», hoy ny Pr Rasa­moelina Henri.
«Tokony tsy ho atao mitovy amin’ny fifidianana hafa ny fifidianana filoham-pirenena, izany hoe, hafa mihitsy ny rafitra mikarakara azy», hoy ny Pr Rasamoelina Henri. Maro ny lesona tsara azo tsoahina amin’ny resaka politika, indrindra ny fifidianana. Anisan’ izany ny fananganana ny «Commission électorale spéciale» na CES, izay nampihena ny tsy fahatokisan’ny olona ny valim-pifidianana. Ani­san’ny nampiasana ny CES ny fifidianana tamin’ny taona 2018 ary ireny no vokatra hita. Tolo-kevitra naroson’ity mpahay tantara ity koa ny fametrahana governemanta tsy mitanila. Izany rehetra izany no atao mba hialana amin’ny olana mitranga matetika ao­rian’ny fifidianana, araka ny nambarany hatrany.

Lin

Partager sur: