Natao omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny atrikasa mahakasika ny fitantanambolam-panjakana. Tanjona ny hampifandrindra ny asa sy ny tetikasa rehetra, ka ampiasana ny teknolojia niomerika.
Maro ny sehatra sy ny asa ampiasana ny volam-panjakana. Misy ny rafitra mifehy sy mitantana azy ireo, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), izay misampana isaky ny rafi-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Ilaina ny fandrindrana izany amin’ ny teknolojian’ny informatika sy ny niomerika, izao nanaovana ny atrikasa, omaly izao. Nilaza ny minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa tenenina matetika ny teknolojia niomerika, ankehitriny. Ilaina ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fampanarahana amin’ny toetrandro ny asa. Tsy miasa irery ny MEF, fa miaraka amin’ny mpiara-miombon’ antoka, toy ny Banky iraisam-pirenena, ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (UE), sns. Tanjona ny handrindrana iombonana ny ezaka rehetra hatao.
Antontam-baovao ara-potoana
Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fampiasana ny niomerika ny fitovian’ny antontam-baovao ara-potoana. Mitovy koa ny fomba fiasa sy ny dingana arahin’ireo rafitra sy sehatra mampiasa ny volam-panjakana isan-tsokajiny.
Nanazava ny talen’ny rafitra misahana ny antontam-baovao (DSI) ao amin’ny MEF, Lala Arson Zo Ny Aina, fa napetraka ny vaomiera stratejika miahy ny antontam-baovao momba ny fitantanambolam-panjakana isan-tsehatra. Izy no mandamina ny tetibola sy ny kaontim-bola, mandahatra ny laharam-pahamehana, mialoha ny famoahana sy ny fampiasana azy.
Anjarany koa ny manara-maso ny lafiny teknika, mijery ny antoka sy ny dingana arahina.
Njaka Andriantefiarinesy