Tafiditra ao anatin’ny lanonan’ny faran’ny taona. Hanatanteraka ny «Cabaret acoustique» miaraka amin’ireo andrarezin’ny fitendrena gitara ny F’inn zao E Production. Alim-pikoranana tontosaina eny amin’ny Espace Concerto Anosiavaratra, rahampitso 1 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina. Amin’ny ankapobeny, «revy glita sy kitonotono» ny endriky ny fandaharam-potoana eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
Tanora manana ny maha izy azy amin’ny fitendrena sy fihirana bagasy no hotafaraka eny an-tsehatra. I Ony, Dougl, Nini Kolibera, ary i Tolotra eo amin’ny gitara. I Sed kosa no hikapoka ny zavamaneno ravaka na ny «cajon» izay hitana ny figadon’ny hira rahateo. Hianoka ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira malagasy, taona 1970 sy ny taty aoriana ireo rehetra ho tonga eny an-toerana. Hanana gasigasy, sarotra hadinoina ity «Cabaret acoustique» ity raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Ankoatra ny hira gasigasy sy ny kitonotono, hisy koa ny fanentanana sy kilalao samihafa hahazoana loka isan-karazany.
HaRy Razafindrakoto