Fiba 3×3 Africa Cup : nandresy an’i Maraoka ny Ankoay vavy

Tsara fanombohana ny Ankoay vavy, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, tanterahina any Le Caire Egypte. Nandresy an’i Maraoka tamin’ny isa 14 no ho 10 i Ma­da­gasikara, teo amin’ny sokajy vehivavy. Na dia somary mafimafy aza ity ekipan’i Maraoka ity, tsy nanaiky lembenana ry Muriel, Sydie, Christiane ary i Sarobidy ka tafavoaka ho mpandresy. Araka ny fandaharam-potoana, hiatrika an’i Bénin sy i Kenya indray ny Ankoay, anio, andro faharoan’ ny fifaninanana. Tsy nahato­hitra an’i Maraoka ny Ankoay lahy, tetsy ankilany, tojo fahasahiranana kely izy ireo, tamin’ ny lalao voalohany natrehany nanoloana an’i Maraoka. Tsy tafiditra tsara tao anatin’ny lalao ny Malagasy mpilalao ary nihoaran’i Maraoka lavitra tany am-piandohana. Nanen­jika ny isa anefa ry Elly sy ny namany, saingy tara loatra ka isa 16 no ho 13 no nisarahan’ny roa tonta ka nivoaka ho mpandresy i Maraoka. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’i Kenya ny lalao ho an’ny An­koay lahy ary hifanandrina amin’i Bénin izy ireo ho amin’ny anio.

Mi.Raz

Partager sur: