Tetezan’i Bekiraro : tovolahy voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Tsy misy filaminana mihitsy ! Nitrangana fanendahana indray teny Tetezan’i Bekiraro Isotry, omaly maraina. Tovolahy iray 25 taona handeha hiasa vao maraina no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy sy sabatra. Mpikirakira informatika ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity ka lasan’ireo mpanendaka ny kitapo misy ordinatera miampy kojakoja samihafa tao anatiny. Efa narahin’ireo jiolahy avy aoriana izy ka nosakan-dry zalahy teo akaikin’ny tetezana. Jiolahy iray nibeda azy avy aoriana sady nisintona ny kitapo nobabeny raha nikapoka ny lohany kosa ireo roa lahy. Tsy vitan’izay fa notsatohan’ireo jiolahy ny antsy koa ny lohany. Torana tsy nahatsiaro teny izy noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny lohany. Nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa nahazo ilay kitapo nisy ordinatera. Olona tsara sitrapo kosa no nampandre ny havany sady nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Avotra soa aman-tsara ihany izy na dia nilentika lalina aza ny antsy.

J.C

Partager sur: