Fandaminana ny disadisam-pifidianana : miantso ireo zanany mpahay lalàna ny FFKM

Nifarana tany Fianarantsoa ny herinandro teo ny zaikabe faha-45 ho an’ny komity foiben’ny FFKM. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fehinkevitra ny momba ny hanohizan’ny fiangonana ny fanelanelanana ny raharaham-pirenena.

Anisan’izany ny hafatra fiantsoana ireo mpahay lalàna zanaky ny FFKM. “Ilaina izy ireo hanazava ireo teboka maromaro tsy itovian-kevitra manoloana ny resaka fifidianana”, hoy ny fanambarana. Eo koa ny antso avo ho an’ny Andrimaso FFKM hanohy ny fanabezana olom-pirenena sy ny hanokanana vavaka isanandro ho an’ny vahoaka malagasy sy ny firenena. Na izany aza, tsy tafiditra tao anatin’ny hafatra ny fomba hanohizan’izy ireo ny fandaminana ny raharaham-pirenena. “Hanohy ny fampihavanana araka ny tarigetra iorenan’ny fiangonana ny FFKM”, hoy hatrany ny fanambarana.

Hotantanin’ny FLM indray ny FFKM

Momba ny raharaha anatiny kosa, hitohy ny fanomezan-danja ny fampiraisana ireo fiangonana efa-tonta eo anivon’ny FFKM ka miainga sy mifototra amin’ny fanamafisana ny firaisam-pinoana Eo­kiomenisma izany.
Etsy andaniny, nankasitrahana tamin’izao zaikabe, nandritra ny roa andro izao, ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamazosoa Irako Am­mi, tamin’ny fitantanany ny FFKM tamin’ity taona ity. Handray ny fitantanana kosa manomboka amin’ny taona ho avy, ny filohan’ny FLM (Lo­te­ranina), ny pasitora, Rakoto­zafy Denis.

Synèse R.

Partager sur: