Fanondranana : nampiditra 3 miliara Ar mahery ny nikela sy kobalta

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fanondranan’i Madagasikara nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nihena anefa ny vidiny, nilatsaka ihany koa ny vokatra naondrana.

Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Ma­dagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohany, tamin’ity taona ity. Nilanja 3 900t kosa izany tamin’ny volana oktobra teo, araka ny tarehimarika na­vo­akan’ny fadintseranana malagasy. Nambarany fa mitentina hatrany amin’ny 3 708 miliara Ar ny totalim-bidin’ ireo vokatra naondrana nandritra ny volana oktobra teo ireo raha toa ka manodidina ny 3 784,6 miliara Ar izany tao anatin’ny folo volan’ny taona 2023. Nampidi-bola betsaka ho an’ny firenena, aorian’ny fanondranana koba, voankazo sy legioma, ny nikela sy kobalta. Mitentina 2 485,8 miliara Ar ny sandan’ireo vokatra azo avy amin’ny zavamaniry naondrana. Manodidina ny 2 018,1 miliara Ar kosa ho an’ny sehatry ny lamba.

Nitontongana
Nahitana fihenana 48,8% sy 4,1% ny fanondranana nikela sy kobalta nandritra ny sivy volana voalohan’ny taona, araka ny tatitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Antony nahatonga izany ny fihenan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay manodidina ny 54,1% sy 3,4 % isaky ny vokatra, raha ny tatitry ny BFM momba ny toe-draharaha ara-toekarena eto an-toerana. Nilatsaka 8,8% ny vidin’ny 1 taonina nikela nandritra ny telo volana fahatelon’ity taona ity, izany hoe, manodidina ny 20 392 dolara raha oharina tamin’ny vidiny teo aloha izay nahatratra hatrany amin’ny 22 366. Maneho sahady izany fa milatsaka hatrany amin’ny 7,7% isan-taonina isan-taona, ireto vokatra fanondrana ireto, izay namidy 22 104 dolara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, herintaona lasa izay.

Partager sur: