Fidangan’ny vidin’entana: tafakatra 3 400 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Miakatra tsikelikely hatrany ny vidim-bary eto an-drenivohitra. Omaly, tafakatra 3 400 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena, na 1 000 Ar ny kapoaka etsy amin’ny Pavillon Analakely. Tsy nametraka takelaka milaza ny vidiny ilay mpivarotra, fa lazainy fa mihemotra ny mpanjifa raha vao mahita ny vidiny satria lafo.

Amidy 3 400 Ar ny kilao, na 900 Ar ny kapoakan’ny vary gasy mena sy ny makalioka eny Andravoahangy, Anjanahary, Amboditsiry,…..
Tsiahivina fa efa tafakatra 4 000 Ar ny kilaon’ny vary gasy tamin’ny desambra 2022.
Samy milaza ny mpaninjara fa ny mpamongady no mampiakatra ny vidiny. Miteny kosa anefa ireto farany fa ny mpanangom-bokatra no ma­nondrotra izany, izay efa miainga any ifotony. Mihena ny tahirim-bary satria maitsoahitra ankehitriny, sady ratsy ny lalana amin’izao fahavaratra izao. Amin’ny volana janoary vao vokatra ny vary aloha, toy ny eto Antananarivo, eny Laniera sy Betsimitatra. Tsy mampiova ny vidim-bary loatra anefa izany, fa ny volana mai vao manomboka miakatra ny vakiambiaty, ketsaina ma­nomboka ny janoary.

Njaka A.

Partager sur: