Fampahafantarana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny zon’ny olona manana fahasembanana no nanamarihan’ny Akanin’ny marenina (Akama) ny andron’ny olona manana fahasembanana. Niarahana tamin’ny tetikasa “Kolohay”, misehatra amin’ny fanabeazana mampiaty sy ny CBM ny hetsika.
Mafy kokoa ny fanamby atrehin’ny ankizy manana fahasembanana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, hoy ny Unicef. Ilaina ny vahaolana mitsinjo ny rehetra mba hiatrehan’izy ireo ny vokatr’ izany. Mahery vaika rahateo ny fiovana ary mafy toy izany koa ny fiantraikany amin’ireo marefo ary tafiditra amin’izany ny ankizy.
Anatin’ny fotoana mampirongatra ny aretina samihafa izao ka manentana ny rehetra ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka, hanao ny vaksiny fisorohana izay maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nihena ny fahazotoan’ny olona nanao vaksiny na nampanao vaksiny ny zanany nandritra ny roa taona.
Tsy maintsy manao arovava sy orona avokoa ny mpianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpanabe eny anivon’ny sekoly tsy miankina amin’izao fotoana izao, ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mahazo vahana eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy mahazo mandeha any an-dakilasy koa ireo manavy na voan’ny sery ho fiarovana ny iray kilasy.