Mahajanga: misesisesy ny fahatongavan’ ny sambo lehibe

Andrasana hiverina ao amin’ny renivohitr’i Boeny, ny alatsinainy izao, ilay sambo lehibe Hebridean Sky, nitondra mpizahatany nandalo tao an-toerana afakomaly. Sambo lehibe fahefatra nigadona tao Mahajanga izy ity, izay nitondra mpandeha 100. Nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra ny 85 amin’ireo mpandeha, nahitana teratany amerikanina sy anglisy. Taorian’io, nihazo an’i Morondava sy Toliara ny sambo ka hiverina ao amin’ny faritra Boeny in­dray ny herinandro izao. Vinavinaina hiverina ao Ma­hajanga ny faran’ny taona ihany koa ny Hebridean Sky. Tsiahivina fa anisan’ny sambo lehibe tonga tao amin’ny faritra ny 9 novambra lasa teo ny SH Diana. Nigadona ny 24 novambra teo ny Champlain, nitondra mpizahatany 149 raha toa ka sambo lehibe fahatelo kosa ny Jacques Cartier.
Herijika ho an’ny sehatry ny fizahantany ny fahatongavan’ireo sambo lehibe ireo noho izy manome lanja sy vahana ary mampidi-bola ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fizahantany.

Partager sur: