Mihazakazaka ny fitontongan’ny vola malagasy. Ankehitriny, efa hananika ny 5 000 Ar ny 1 euro. Omaly, tokony ho tamin’ny 3 ora sy 16 minitra, mitentina 4960Ar ny sandan’ny Euro iray, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tafakatra hatrany amin’ ny 4518Ar kosa ny dolara iray. Azo lazaina ho marin-toerana ny dolara ka tsy nahitam-piovana firy ny sandan’izany hatramin’ny 06 novambra teo. Niakatra ho 4 499,02Ar kosa izany ny 1 desambra teo ka izao lasa 4 518Ar izao, omaly.
Tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fety isika izao, mbola hiakatra ny sandan’ireto vola vahiny ireto. Hitombo ny entana hafarana, hamatsiana ny eto an-toerana ka hampitotongana ny vola malagasy. Ho lafo ihany koa ny vidin’ireo entana hamidy noho izy hanaraka ny sandam-bola vahiny miampy ny habantseranana ary ny hetra aloa eny anivon’ny fanjakana.
Tsy nitsaha-niakatra nanomboka ny 6 novambra teo ny euro iray. Ny 30 novambra teo, tafakatra hatrany amin’ny 4 917,98Ar izany. Fiakarana ambony indrindra tao anatin’izay 29 andro izay. Manondrana letisia any ivelany isika izao saingy ambany ny vola vahiny miditra amin’izany. Tsy masahana ny tolotra sy ny tinady ny zava-misy. Marihina fa nampiditra hatrany amin’ny 15 miliara Ar ho an’ny fanjakana kosa ny fanondranan’i Madagasikara makamba tamin’ity taona ity.
Volana janoary 2024
Vinavinaina amin’ny volana janoary 2024 vao hilatsaka indray ny sandan’ny euro noho ny fihenan’ny fanafarana entana avy any ivelany. Na izany aza, miantraika amin’ny tokantrano tsirairay sy ny toekaren’ny firenena ny fitotonganan’ny sandam-bola malagasy. Mitombo ny vola mivoaka, hiaka-bidy ihany koa ny entana samihafa eny an-tsena.