Sampana mpamonjy voina : nankalaza ny fetin’i Masimbavy Barbe

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny tobin’ny vondron’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, ny fetin’i Masimbavy Barbe.

Olomasina mpiahy sy mpiaro azy ireo amin’ny asan’ny vondrona izay mpikirakira afo i Masim­bavy Barbe . Niaraka nankalaza izany avokoa ireo mpamonjy voina rehetra teto Anta­nanarivo Renivohitra. Tari­getran’ny vondrona : « ny Fitsipika, ny zotom-po, ny fandavantena ». Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponandraiki-panjakana notarihin’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra sy ny filohan’ny filankevitra monisipaly ary ireo mpiara-miasa aminy. Teo koa ireo manamboninahitra miaramila sy ny avy ao amin’ny polisy monisipaly. Nitarika ny lanonana kosa ny kaomandin’ny vondrona, ny Kly Razafi­manahaka Tiana, izay nanoritsoritra ny asa sahanin’ireo mpamonjy voina. « Mihatra aman’aina na andro na alina ny asan’ny vondrona ka i Masimbavy Barbe no mpiaro anay amin’ny fiatrehana ny asa hiantsorohanay », hoy ity manamboninahitra ity. Nan­dritra ity fankalazana ity, nisy fampiakarana galona ho an’ireo mpiasan’ny sampana mpamonjy voina mendrika. Nahitana manamboninahitra fito mirahalahy. Teo koa ny fanaovam-beloma ireo kapiteny roa lahy mpiasa eo anivon’ny sampana mpamonjy voina izay nahavita be teo amin’ny asany ka handeha hisotro ronono. Marihina fa ny taona 2020 dia 168 ny isan’ireo mpamonjy voina raha efa 380 mianadahy kosa izy ireo amin’izao fotoana. Hankalazaina amin’io taona ho avy 2024 io ny faha-75 taona niorenan’ny sampana mpamonjy voina.

Jean Claude

Partager sur: