VAOVAO TAMBATRA

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny mpandraharaha amin’ny mikraofinansa (IMF). Anisan’izany ny Cecam, ny Smmec, ny PAMF, ny Vola Mahasoa ary ny NIM. Hatsangana koa ny sompitra iombonana eny ifotony, hitahirizana ny vokatry ny tantsaha.

Feno 35 taona amin’ity taona ity ny Sekolim-pirenena ho an’ny fotodrafitrasa (Ininfra). Amin’ny 21 desambra ho avy izao ny hankalazana izany amin’ ny fomba ofisialy eny amin’ny Espace Rose, By-Pass. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ny sekoly Ininfra, manofana teknisiana momba ny fotodrafitrasa.

Nofanina ireo tomponandraikitra momba ny fitantanam-bola eny amin’ny kaoperativa sy ny mpandraharaha madinika any Vakinankaratra, ny 1 sy 2 desambra teo. Nisahana ny fampiofanana ny avy ao amin’ny sekoly ambony Iscam Solutions Formation (Issof). Tanjona ny hampitombo ny traikefa, hanatsara kokoa ny fitantanam-bolany.

Partager sur: