Akademia Malagasy : omen-kasina i Régis Rajemisa-Raolison

« Oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Ireo sehatra rehetra nosahanin’i Régis Rajemisa-Raolison, tao anatin’ny taona maro (1913 – 1990), no omen-kasina sy lanja, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, rahampitso ma­nomboka amin’ny 9 ora maraina.
Famelabelaran-kevitra 10 no hotontosaina, mandritra ity andro rahampitso ity. Anisan’ izany ny « Hafatra sy fitiavan-tanindrasan’i Régis Rajemisa-Raolison ao anatin’ny tononkalony «Ilay Nosin-drazantsika»», hovelabelarin-dRasolo­fomasy Simon Seta. «Ireo tarakevitra ao amin’ny asasoratr’i Régis Rajemisa-Raoli­son», fanadihadian-Rado­manan­toanina Tahirisoa. « Régis Rajemisa-Raolison, mpanabe, andrarezina », lohahevitra hovelabelarin’i Edouard Thomé de Charaix. « Ny fiaraha-miasan’i Régis Rajemisa-Raolison sy ny edisiona Ambozontany », hiarahana amin-dRabenirina Joseph… Hitohy ny tolakandro ny velakevitra.
Raha tsiahivina, ankoatra ny maha mpanoratra andrarezina azy, mpanabe sy mpampianatra nanana fandavan-tena goavana i Régis Raje­misa-Raolison. Maro amin’ireo mpianany no nahazo soa lehibe avy any aminy ka afaka nampita izany any amin’ny taranaka nifandimby. Anisan’ ny asa goavana vitany ny « Rakibolana malagasy ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: