Nisy ny taratasy avy any amin’ny Primatiora amin’ny famaliana an-tsoratra ny fanontanian’ny depiote, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Ranazamahasoa Christine, tamin’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fifanatrehana amin’ny governemanta izay tokony hatao rahampitso. Ny dikan’izany: mety ho tonga ny governemanta fa tsy hamaly mivantana fa handray ny fanontaniana ary hamaly an-tsoratra. Na mety tsy ho tonga ry zareo. Manoloana izany, nilaza ireo depiote nandray anjara fitenenana fa adidy aman’andraikitry ny depiote ny mitondra ny hetahetam-bahoaka amin’ny distrika nahavoafidy azy. Noho izany, mila hampidirina amin’ny fandaharam-potoana ny fifanatrehana na hamaly an-tsoratra aza ny governemanta.
Intelo izao no tsy mety ho raikitra ny fifanatrehana mivantana eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta hatramin’ny nisian’ny fangatahan’ny depiote 110 fifidianana fitsipaham-pitokisana ny governemanta tsy tanteraka, ny desambra 2022.
R. Nd.