Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny ombiasy iray sy ny dahalo namany nandritra ny fisamborana azy ireo tao Vondrozo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nikasa hanatanteraka ny sorona faharoa ahafahan’izy ireo mahazo ny rano mavesatra na « mercure » ireo dahalo ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary tamin’ireo namany izay efa voasambotra. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy sy hisambotra ireo voatonona anarana ny zandary ary nitarika azy ireo ilay ombiasa efa voasambotra, ny herinandro lasa teo. Vao tonga teo amin’ilay lava-bato voatondro, nihoraka nampitsoaka ireo dahalo namany ilay mpimasy. Nanararaotra nandositra koa ity farany. Raikitra ny fitifirana ka lavo izy sy ny dahalo iray namany. Tafaporitsaka ireo namany hafa. Marihina fa anisan’ny dahalo efa nampitaraina ny mponina ao an-toerana hatry ny ela ary efa nanaovan’izy ireo taratasy teny anivon’ny manam-pahefana ireto lavo ireto.
Tsiferana R.