Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Lavon’ny US Pro klioba avy amin’ny ligin’Analamanga, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mama FC “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, ady sahala 0 no ho 0 nentin’izy ireo niala sasatra. Rehefa nandeha ny fizaram-potoana faharoa, nahazo “coup franc” teo amin’ny 36 m miala ny tsato-bin’ny Mama FC ny US Pro, ny minitra faha-56. Tafiditr’i Randy, mpilalao US Pro izany, ka io isa 1 no ho 0 io nentin’ny roa tonta nisarahana. Nandresy ny klioba avy eto Analamanga. Araka izany, ity no fandresena faharoa azon’ny US Pro nandritra ity fifanintsanana ity. Ankoatra izay, resin’ny Cosfa miaramila, tamin’ny isa 1 no ho 0 koa ny ekipan’ny Requin Bleu. Marihina fa natao hanomanana ny “OPL taom-pilalaovana 2023-2024” ny GTA, karakarain’ny ligin’ Analamanga. Tsara ny mampahafantatra fa hanomboka ny volana janoary 2024 ny “OPL”.
Fitia Randria